4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamo - Bessa sy lola

Fa sakaizako tokoa ialahy amin'ny fo madio
Mba hividiano toaka tapany aho himamoako anio
Aza asain'ialahy miresaka aho fa tsy tantiko
Fa efa mila toa hitresaka ny ato anatiko

Dia vonoy fa aza arehitra ireo jiro ireo
Aza asian'ialahy ady hevitra fa avelao ho eo
Ary andana koa mandeha ialahy fa ndrao bediko
Sao sendrasendra ren'ialahy ny redirediko

   Dia akatony mora, io varavarana io
   Ndrao misy manakora fa mamo aho anio
   Amin'io toaka io

Tsy maintsy afeniko an'ialahy
Fa tena hadalana ny ahy
Na zandry kely tia sy tsy foiko aza
Tsy afaka aho hilaza

Fa nahoana hoy ialahy mantsy ahy no hisotro ianao
Sao dia manimba tena lahy fa tsy fomba izao
Tsy afaka ny hilaza ny marina aho sy izay antony
Fa rehefa tsy hividy hoy aho tsy misy antony

Manambady amnjanaka aho ary tiako ireo
Tsy mba mahalala lanaka aho miasa ho azy ireo
Sainga angamba nototombintana aho fa niavaka
Te hanakatra ny kintana ho firavaka
      
    Fa rehefa laniko io de
    Mamo aho de hiaka aho de
    Angamba hadino hatreo
    Ity nofy ratsiko

Partager mamo

Commenter mamo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite